news2dago
Madagascar News Rencontre Funny Sexe - Annonces
  Home
  Photo
  Vaovao
  Presse
  News
  Sport
  Stars
  Insolite
  Rencontre
  Link
  Video
  Clip
  Games
  Meteo
  Contact
  Karajia
  Annonces
  Informatika
  Page copy protected against web site content infringement by Copyscape



annuaire

 FAHANTRANA  VE?


Te hiala amin’ny fahantrana ve ianao?
Sa
Te hanala ny havanao na ny namanao na ny mpiara-monina aminao amin’ny fahantrana?

Fantaro ary fa
Mizara roa lehibe ny fahantrana. Ny fahantrana ao anaty sy ny fahantrana eo ivelan’ny olombelona. Ny fahantrana eo ivelany dia ireo fahantrana hita maso sy azo tsapain-tanana. Ny fahantrana anaty dia ireo fahantrana tsy hitanao maso ary tsy azonao tsapain-tanana fa ao anatinao ao.

Fantaro anefa:
Ny tontolo ao anaty no mibaiko ny tontolo ety ivelany.
Izany hoe: ny fahantrana ao anaty no fototry ny fahantrana ety ivelany.
Raha tsy miala ny fahantrana ao anaty dia hanahirana ny hanala ny fahantrana eo ivelany.
Ary na afaka aza ny fahantrana ety ivelany dia fotoana fohy monja no faharetan’izany raha mbola ao ny fahantrana ao anaty.

Inona no atao hoe: fahantrana ao anaty?
Inona avy izy ireo? Manao ahoana ny endrika isehoany? Misy vahaolana azo atolotra ve?

Aza misalasala manafatra ny boky nosoratan’i Faly RAFIEFERANA nampitondrainy ny lohateny hoe: NY FAHANTRANA AO ANATY

Ao anatin’io boky io no ahitanao ny ireo karazana fahantrana ao anaty. Misy telo lehibe izy ireo. Vakio dia ho hitanao.
Ao anatin’io boky io no ahitanao ny fototry ny fahantrana, ka mahatonga ny fahantrana tsy mety resy moramora.
Ary mbola ao anatin’io boky io ihany ireo vahaolana hanampiana anao hiala amin'ny fahantrana. Vakio dia ho hitanao.

Ny boky dia azonao afarana amin'ny téléphone ary alaina eny Ambodivonkely- Ambohimanarina , Lot…..


Ny vidiny ve??
Tena mora. Vidina fahana finday iray monja.
Ar5.000 ( Dimy arivo ariary).

Tel: 0331290303



SEMINERA


ADY AMIN'NY FAHANTRAN’NY SAINA


Mpitarika (leader) angamba ianao. Mpitarika firenena na fokontany na fiangonana na fikambanana na orin’asa. Misy zavatra maro manahirana anao rehefa mitarika ianao.  
Ny iray faran’izay sarotra indrindra dia ny manova toe-tsaina.

Na

Mety misy tetik’asa iarahanao manao aman’olona vitsivity na maromaro, sahirana ianao satria betsaka amin’izy ireo no ratsy toe-tsaina.

Fanamby goavana ho antsika ny manova ny toe-tsain’ny olona.
Ireo Filoham-pirenena Malagasy nifandimby,  isaky ny mikabary, dia nitaona ny vahoaka notarihiny hanana toe-tsaina vaovao. Mitaky toe-tsaina vaovao ny toetr’andro ankehitriny.
Saingy amin'ny fomba ahoana?

Izay no antom-pisian’ny SEMINERA ADY AMIN'NY FAHANTRAN’NY SAINA.
Hanampy anao mpitarika hitondra fiovana eo amin'ny vahoaka tarihinao.

Seminera efa voasedra. Seminera niainana sy nampiharina ary hita fa mahomby tokoa. Efa nitety toerana maro, na teto an-drenivohitra Madagasikara na teny amin'ny faritra manodidina na tany amin'ny faritany samihafa.

Resy lahatry ny seminera ny 89% n’ny olona izay nanatrika.

Ny seminera dia manoro sy mandresy lahatra ny mpanatrika amin'ny fomba azo tsapain-tanana hanana toe-tsaina
-    Tsy hanao hosoka
-    Tsy hifampitsikera na hifanebaka
-    Tsy hanao kolikoly
-    Tsy hihevi-tena fa ambany na tsy mahavita zavatra
-    Tsy mora kivy
-    Tsy ho mpitrosa lava
-    Tsy hanahy be loatra
-    Sns...

Fa

-    Sahy milaza sy manao ny marina
-    Sahy manombo-javatra
-    Tia karokaroka
-    Hifanohana sy hiray hina
-    Hahatsiaro tena fa ilaina eo amin'ny fiaraha-monina
-    Hahatsiaro tena fa afaka manao zavatra
-    Afaka hanova zavatra
-    Afaka mamorona
-    Tia miasa tsy baikona
-    Sns...
-    Ary matoky an’Andriamanitra


Tao tokoa ireo niova, saingy vitsy dia vitsy izy ireny, “Mitaky toe-tsaina vaovao Amin'ny fomba ahoana? Tsy fantatro. Ny fantatro dia efa hatramin’ny ela ny fitakiana ny toe-tsaina vaovao. Nanao izany ireo fitondram-panjakana nifandimby teo aloha.
 izay tetik’adiny hanovana ny toe-tsain’ny olona.


IZA NO MANAO NY SEMINERA?

Faly RAFIEFERANA, 46 taona, manambady ary manana zanaka telo mianadahy.
Nianatra misionera tany Mombasa, Kenya, rehefa nahavita ny baccalaureat teto Madagasikara ny taona 1983.
Avy teo nianatra momba ny “ Leadership” tao amin'ny Haggai Institute- Singapore ny taona 1992.
Nanohy izany fianarana Leadership izany ny taona 1998 tao amin'ny Université des nations, Jeunesse En Mission, Worcester, Afrika Atsimo.

Nanomboka nizara ireo fahalalana sy traik’efa noratoviny ny taona 2000 teto Madagasikara teo amin'ny sehatry ny Tanora Mpanefa Iraka (Jeunesse En Mission) sy ny fiangonana ary ny fikambanana samihafa.

Rehefa nahazo fanohanana avy tamin’ny Masoivoho Amerikana ny taona 2004 dia nivelatra teo anivon’ny fiaraha-monina.

MAHARITRA FIRY ANDRO NA ORA FIRY NY SEMINERA?

Raha seminera ho an’olona 20-50 dia azo atao ROA andro manontolo misesy.
Ohatra:
Manomboka amin'ny 09ora – 12ora antoandro maraina  
Manomboka amin'ny 2.30mn – 5ora hariva

Raha seminera ho an’ny daholobe, olona mihoatra ny 100 dia atao DIMY andro misesy ka isan-kariva na isaky ny tolakandro
Ohatra:
Manomboka amin'ny 2.30 ora tolakandro – 5.30ora hariva
Na
Manomboka amin'ny 6ora hariva – 8.30mn alina

Aorian’ny famelabelarana “sur Power Point” dia malalaka ny fametrahana fanontaniana sy ny fanamarihana samihafa.

INONA AVY IREO LOHATENY MANDRITRA NY SEMINERA?
1-    Ny fototry ny fahantrana
2-    Ny vahaolana fototra
3-    Ny antom-pisiana sy ny vina
4-    Ny famadihana ny nofinofy ho zary nofo
5-    Iza no mpanohana?


AHOANA NY FIFANARAHANA?

Ny andraikitry ny mpanomana:
•    Efi-trano malalaka hanaovana ny seminera
•    Herin’aratra
•    Fanamafisam-peo
•    Dokambarotra sy taratasy fanasana
•    Video projecteur et Ecran
•    Saran-dalana Gasoil sy sakafo ary efi-trano fatoriana

Izahay kosa miantoka ny ordinateur, micro cravatte.

 AHOANA NY KARAMA?

Ho fanampiana anao dia tsy mikarama izahay. Maimaim-poana ny hanaovanay ny seminera hatreto aloha.
Tsikaritra anefa fa misy ireo olona manatrika ny seminera te hanampy sy te hanome falim-po dia heverina fa amin'ny fotoana faran’ny seminera dia malalaka ny fanolorana izay foy atao falim-po.

IZA NO ANTSOINA?
Faly RAFIEFERANA mihitsy no antsoina. Aleo miantso mialoha araka izay azo atao ahafahana mandrindra  ny programa.

Tel : 0331290303

 
© Copyright news2dago This website was created for free with Own-Free-Website.com. Would you also like to have your own website?
Sign up for free